<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Harrison</author>
<title>Mba manampia anay FFPM467</title>
<lyrics>[V1]
 Mba manampia anay,
 Ry Jeso Tompo soa !
 Ka dia ny fiainanay
 Hambinina avokoa.

[V2]
 Ny tadiavinay
 Dia fihavanana,
 Tsy hisarahana aminao
 Izay Fiainana.

[V3]
 Ampionao izahay
 Mba hahalala Anao,
 Ka aoka mba harahinay
 Ny nodiavinao.

[V4]
 Dia mankalaza Anao
 Izahay ry Tompo ô !
 Fa he, ny fitahianao
 Dia tena mahasoa.</lyrics>
<hymn_number>467</hymn_number>
</song>